Toekarena

Vitrine du Vakinankaratra Tanjona ny fikarohana lalam-bokatra


  • Alarobia 11 Septambra 2019

Hisongadina indray ireo vokatra mampalaza an'i Vakinankaratra amin’ny ny hetsika « Vitrine du Vakinankaratra » andiany faha-22 izay hotontosaina rahampitso 12 septambra ka hatramin'ny 14 septambra 2019 ho izao. Hatao manoloana ny Gara izany ary hampirantiana tranoheva miisa 200.

Ireo  mpandraharaha mivondrona  ao anatin’ny FIvondronan’ireo Orinasan’i Vakinankaratra na ny FIOVA no mpikarakara mba entina hifanampiana sy hitadiavam-bahaolana  indrindra ny amin’ny lalam-bokatra sy lalam-barotra. Ho an'ny faritra Vakinankaratra manokana dia mbola maro ireo olana sedraina na dia eo aza ny ezaka ataon’ireo mpandraharaha. Ankoatra ny sakana  amin’ny fikarakarana ny taratasy dia tena mbola mampikaikaika ny faharatsian’ny lalana amin’ny famoahana ny vokatra any ambanivohitra rehetra any. Tsiahivina anefa fa  manana orinasa miisa 115 ny any amin’ny faritra Vakinankaratra ary misehatra amin'ny fanodinam-bokatra ho lasa sakafo avokoa ny ankamaroanyireo. Ankoatr’izay dia izy ihany koa no mamatsy ny 70%n’ ireo sakafo voahodina manerana an'i Madagasikara. Soa fa misy ny hetsika ara-toekarena tahaka itony hanampiana ny tantsaha amin’izany olana rehetra izany. Ny taona 1997 moa no niandohan'ity hetsika  « Vitrine du Vakinankaratra » ity, ary mbola tsy nisy fiatoany izany hatreto. Hatramin’izay no efa nahafantarana izany olana miverimberina izany saingy ny omaly tsy miova hatramizao.

 

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT