Toekarena

Vitrine du Vakinankaratra Nisongadina hatrany ny orinasa TIKO


  • Talata 04 Septambra 2018

Fahombiazana ho an’ny orinasa Tiko AAA ny fandraisan’anjarany indray tamin’ny “Vitrine du Vakinankaratra”, andiany faha-21 notanterahina ny faran’ny herinandro teo iny.

 

 

Nasehon’ity orinasa ity fa mbola izy aloha hatreto no matihanina amin’ny fanodinana ny vokatra avy amin’ny ronono. Nisongadina mantsy ny tranohevan’izy ireo na tamin’ny ravaka sy ny fanehoana ireo vokatra izany ka nahazoan’izy ireo ny laharana voalohany tamin’ireo tranoheva 172 nandray anjara. Tranoheva anisan’ny be mpitsidika indrindra ny an’ny orinasa Tiko AAA, ary nilaharana ny fanjifana ny vokatra natolony. Tamin’ity hetsika ity no nanehoana indray ny vokatra sakafom-biby voalohany, taorian’ny nikatonan’ny orinasa noho ny fanonganam-panjakana notarihin’i Andry Rajoelina tamin’ny 2009. Nambaran’Atoa Ramarijaona Andrianjafy ary fa tanjona ho azy ireo ny fanampiana hatrany ireo mpandraharaha mpikambana ao amin’ity Fivondronan’ny orinasan’i Vakinankaratra ity, ary ny tanjona ny fanomezan-danja bebe kokoa ireo tanora ho amin’ny famoronana sy fananganana orinasa.

Caius R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT