Toekarena

« Vitrine du Vakinankaratra » faha-22 Hahazo tan-tsoroka ireo mpandraharaha


  • Talata 27 Aogositra 2019

Hiditra amin'ny andiany faha-22 amin'ity taona ity ny hetsika ara-toekarena « Vitrine du Vakinankaratra ».

 Hetsika ho fampiroboroboana ny asan'ireo mpandraharaha madinika sy ireo orinasa mivondrona ao amin'ny FIOVA na ny Fivondronan'ny Orinasan'i Vakinankaratra. Toy ny fanao isan-taona moa dia hisy ny fifanakalozana ara-barotra sy fampirantiana mandritra ny 3 andro dia ny 12-13-14 septambra ho avy izao izany. Anisan'ny hampiavaka ity hetsika ity ny fisian'ny manampahaizana manokana hisahana ny resaka "Coaching" amin'ireo mpandraharaha amin'ny fandraharahana izay ataony raha ny nambaran'Atoa Ramarijaona Andrianjafy, filohan'ny FIOVA. Hitohy aorian'ny hetsika izany na efa miverina any andafy aza ity manampahaizana ity amin'ny fanampiana ireo mpandraharaha ao Vakinankaratra. Ankoatra ny fampirantiana sy ny fifanakalozana moa dia hisy hatrany ny valandresaka arahina adihevitra hiompana amina lohahevitra maro. Tranoheva manodidina ny 200 hatreto no efa namandrika fa handray anjara amin'ity hetsika ity ary azo antoka fa mbola hiampy raha ny vinavina, hoy ny mpikarakara satria efa misy ireo mpandraharaha ivelan'i Vakinankaratra no namandrika toerana, toy ny avy any Menabe sy Atsimo andrefana.

Caius R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT