Toekarena

«Vitrine de Madagascar» eny Iavoloha Nofohazina ny tetikasan-dRavalomanana


  • Alarobia 17 Mey 2017

Nitsidika ny antsoina hoe «agro-économie» iandraiketan’ny GSDM (Groupement Semis Direct Madagascar) tao amin’ny saha sekoly eny Iavoloha ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina omaly.

Hita eny an-toerana hatreto ny voly katsaka mahatratra 6 taonina isaky ny hektara sy ny voanemba 1 taonina isaky ny hektara aorian’ny 3 na 6 volana, araka ny fanazavan’ireo teknisianina avy amin’ity ivontoerana ity. Efa nahitam-bokatra ihany koa volana vitsy lasa izay ny fambolem-bary safiotra na «riz hybride» niarahana tamin-dry zareo japoney teny an-toerana.

Tetikasan-dRavalomanana

Tsy nanampo ireo vokatra hitan’ny masony ihany ny filoham-pirenena raha nilaza fa fitaovana tsara azo iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo mamely mafy ny zaza amam-behivavy eto Madagasikara ny fanapariahana ireo teknika ireo any amin’ny faritra. Tsy zava-baovao anefa ny fisian’ny «vitrine de Madagascar» na fitaratr’i Madagasikara tao amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha izay tetikasa goavana nampiavaka ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc. Efa hita tao an-toerana tokoa mantsy 10 taona lasa izay io fampiroboroboana ny lafiny fambolena sy fiompiana io. Nisongadina indrindra tamin’izany ny fiompiana ireo omby vavy be ronono «holstein». Efa niainga mihitsy moa ny fanapariahana azy ity isaky ny faritra saingy nosomparan’ny fanonganam-panjakana izany ny taona 2009.

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT