Toekarena

Vita Malagasy Arakaraky ny hanjifana azy no hampisandratra azy


  • Alakamisy 03 Septambra 2020

Lasa resaka miodinkondina tahaka ilay hoe iza no voalohany ny akoho sa ny atody rehefa miresaka ny fanjifana ny entana vita Malagasy. Resaka re matetika ny hoe :

 

 

 aiza ve ka ny kalitao tsy mahafapo kanefa lafo vidy be. Ny entana avy any ivelany amin’io mitobaka izay tsy izy, ary misy mahazo fanalefahan-ketra ka aiza moa no tsy ho mora. Ny vahiny rahateo tsy azo lavina fa efa nahazo traikefa misimisy kokoa noho ny Malagasy raha resaka fanodinana vokatra sy indostria. Misy amin` izy ireo anefa no mamokatra entana ratsy kalitao nefa mora vidy ka misakana ny fivelaran'ny indostria Malagasy Tsy maintsy misy fanombohany anefa ny zava-drehetra, ka tena mila manjifa ny vita Malagasy aloha ny Malagasy, mipetraka miaraka amin’izay ny fanampiana ireo orinasa sy mpandraharaha avy amin’ny fanjakana ka apetraka ny fenitra , dia hihatsara ho azy ny kalitao. Mazava ny lalàn’ny tsena : tolotra sy tinady io... rehefa betsaka noho ny tinady ny tolotra, midina ho azy ny vidiny. Fa tsy ho tafavoaka mihitsy ireo mpanao asa tanana, mpamokatra sy orinasa misehatra amin’ny vita Malagasy raha tsy manjifa azy isan’andro ny Malagasy fa falifaly amin’ny manjelanjelatra avy any ivelany fotsiny. Fiovana toe-tsaina goavana no takiana raha hiaro sy hanandratra marina ny an’ny tena ary mila ny atao hoe “patriotisme économique" matanjaka isika eto Madagasikara. Marihana fa manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ireo indostria eto amintsika ka afaka mifaninana tsara amin'ny avy any ivelany.Ary maro ny entana amboarin’ireo orinasa afakaba eto Madagasikara no alefa any ivelany, petahana “etiquette” fotsiny dia averin’ny vahiny eto ary tena lafo vidy.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT