Toekarena

Vinavinan’ny FMI Miiba ny fitomboana ara-toekaren’i Madagasikara


  • Alarobia 28 Oktobra 2020

“Mampanahy ihany ny hoavin’ny toekarena sy ny fampandrosoana eto Madagasikara. Mety ho sarotra rahateo ny fanarenana ny toekarena aty amin’ny tapan’Atsimon’i Afrika, ary voakasika manokana amin’izany ny eto Madagasikara” hoy Abebe Aemro Selassie,

 

 Talen'ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) aty Afrika. Nanamafy ny efa nambarany enim-bolana lasa izay izy. “Tsy hisy Firenena Afrikanina ho afa-maina amin'ny krizy ara-pahasalamana sy ara-toekarena”. Hitotongana tanteraka ny toekaren'i Madagasikara amin'ity taona 2020 ity, ary mety ho isa miiba hatramin’ny -3,2% ny fitomboan’ny (fitotongan'ny) harin-karena faobe, araka ny fanitsiana (chiffre révisé) nataon’ny FMI, raha toa ka notombanan’ny Governemanta ho isa miabo +0,8% izany tany amboalohany. Anisan’ireo heverina mahatonga izao fitotonganana izao ny fanidiana ny sisin-tany, ny fahabangan’ny vola azo avy amin’ny fanondranana ary ny tsy fisian'ireo mpizahatany mitsidika an'i Madagasikara. Tsy ho mora ny fanarenana izany, ary mety haharitra an-taonany maro .Tsy maintsy hisy fiantraikany amin’ny faripiainan’ny mponina izany rehetra izany.

 Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT