Toekarena

Village Voara Andohatapenaka Hampiantrano ny Tsena K manomboka rahampitso


  • Alarobia 27 Septambra 2017

Hotanterahina etsy amin’ny Village Voara Andohatapenaka ny alakamisy 28 ka hatramin’ny sabotsy 30 septambra 2017 ny Tsena K. Mpitsidika mihoatra ny 10 000 no andrasana mandritra ity hetsika karakarain’ny fiangonana FJKM Ambohitantely ity. Sehatra iray mampifanindran-dalana ny nahandro sy ny asa tanana, ny varotra sy ny talenta ny Tsena K.

 Fifanenan’ny vokatra ambanivohitra sy ny indostria, ny mahazatra sy ny famoronana, ny haitao tranainy sy ny vaovao. Fifameloman’ny Fiangonana sy ny fiarahamonina, ny ambanivohitra sy ny ambonivohitra. Handray anjara ao anatin’ity hetsika ity araka izany ireo olona manan-talenta, ireo mpanao asa-tanana sy orinasa ary mpandraharaha Malagasy. Tranoheva maherin’ny zato no ho hita ao izay ahitana entana isankarazany, toy ny vokatry ny tany, ny asa tanana sy taozavatra, ny vokatry ny kaoperativa, ary ireo koakoja ilaina andavanandro toy ny fitaovam-pianarana, ny akanjo sy ny kiraro, ny fitaovana andakozia. Ankoatry ny varotra dia hisy ihany koa ny fanehoana ny talenta amin’ny alalalan’ny Kolo Nahandro izay sehatra hampiofanana ny fahaizamahandro Malagasy sy vahiny ho an’ireo liana amin’izany. Natao izao ho fanentanana ny talenta misy eo anivon’ny Fiangonana sy ny fiaraha-monina, ho fijoroana vavolombelona sy fampandrosoana ary ho ambohipihaonan’ny samy Kristianina ny Tsena K, hoy ny mpikarakara.

 

Nangonin’i Jean D. 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT