Toekarena

Vidin’entana amin’ny ariary 14 taona aty aoriana, tsy mbola zatra ny maro


  • Alarobia 21 Martsa 2018

Efa tamin’ny 7 jolay 2003 no nivoaka ilay lalàna nanova ny fiantsoana ny vola miasa eto Madagasikara ho ariary.

 Hatramin’izao anefa dia mbola maro ny sahirana amin’ny fampiasana azy eto Madagasikara. Na ny olon-tsotra na ny mpivarotra, eny fa na dia ireny mpambongady ireny aza dia tsy zatra sady tsy mahafehy ny fametrahana ny vidin’entana amin’ny sandany Ariary. Olana ny fahazaran-dratsy tamin’ny fampiasana ny « fmg » sady tsy mba nisy fanaraha-maso natao taorian’ireny lalàna nivoaka ireny hoe hatraiza ny fampiasana ny Ariary. Na ny fanentanana koa aza moa tsy mba nisy, hany ka tsy rototra tamin’ny fahazarana hampiasa azy ny Malagasy. Eo ihany koa moa ny fitiavana hanabontsina tarehimarika fotsiny izao. Hafahafa kokoa mantsy ny maheno hoe 2 000 000 fmg noho ny 400 000 Ariary monja. Izany rehetra izany dia taratry ny tsy fitiavan-tanindrazana satria ny an’ny tena aza moa tsy fehezina sady tsy atao vaindohan-draharaha ka aiza moa no hisian’ny fandrosoana eto Madagasikara !

Tsiry   

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT