Toekarena

Vidin-tsolika iraisam-pirenena Mitotongana no sady miiba


  • Alarobia 22 Aprily 2020

Tafalatsaka ambany be ary miiba (négatif) mihitsy ankehitriny ny vidin’ny solitany vokatry ny krizy nateraky ny aretina coronavirus.

 

 

 

 

Tafidina hatrany amin’ny 306% izay manome -37,63 dolara izany raha ny tondron' ny vidin’ny solitany manerantany WTI (West Texas Intermediaire) no jerena ho amin’ny famarotana (livraison) ny volana mey ho avy izao. Ny tondro faharoa fandrefesam-bidy Brent ihany koa dia maneho ny fitotonganam-bidy hatrany amin’ny 18% izay manome 20,43 dolara. Lavitry ny 50 dolara tanteraka ihany koa ny barila amin’ny livraison volana Jona satria mihena 18% izany izay manome 20,43 dolara. Antony mahatonga fatiantoka ny tsy fifandanjana be loatra misy amin’ny tolotra sy tinady. Be loatra ny tolotra satria raha ny any Etazonia fotsiny dia efa niakatra hatrany amin’ny 19 tapitrisa barila ny tahiry anatin’ny herinandro monja.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT