Toekarena

Vidim-piainana Tsy mandray andraikitra ny mpitondra


  • Zoma 10 Martsa 2017

Miaina vanim-potoana sarotra ny vahoaka Malagasy amin’izao fotoana. Saika ny 80%-n’ny faritra eto Madagasikara no nizaka ny voka-dratsin’ny rivodoza.

 Efa tafiditra ao anaty fotoam-pahavaratra rahateo isika, ka maro ireo endri-pahasahiranana isan-karazany miseho. Vao andro vitsy nisian’ny orana sy rivodoza dia efa miseho sahady ny olana amin’ny fidangan’ny vidin’ny entana ilaina amin’ny andavanandro. Tafakatra 20 000 ka hatramin’ny 25 000 ariary sahady ny vidin’ny harina fandrehitra eto Antananarivo. Toraka izany koa ny vidin’ny vary izay efa mananika ny 2 000 ariary indray ny iray kilao. Saika ahitana izany avokoa ny faritra rehetra eto an-drenivohitra. Raikitra ny fananararaotana isan-karazany. Tokony hisy ny sazy henjana hampiharina amin’ireo mpandraharaha manararaotra ny fahasarinam-bahoaka toy izao satria tsy ara-dalàna sy tsy ara-drariny no miseho. Raha tena mitsinjo ny vahoakany ny mpitondra dia vitany ny manara-maso sy misoroka ny fidangan’ny vidin-javatra. Mila jerena koa ny fahasahiranana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT