Nidina nijery ifotony nanara-maso ny vidim-bary teny amin’ny tsenan’ Anosibe omaly ny Minisitry ny indostria sy ny varotra ary ny asa tanana, Lantosoa Rakotomalala niaraka tamin’ireo mpiara-miasa taminy.
Mpivaro-bary 3 tamin'ireo notsidihana no voatery nakatona noho ny tsy fanarahan-dalàna ary mpambongady iray no voatery nogiazana entana .Tamin’ity fidinana ifotony dia hita fa tsy ny eny amin’ny mpampongady loatra no misy fampiakara-bidin’ny vary satria tamin’ireo maromaro notsidihina dia hita fa mbola ara-dalàna avokoa izany. Eny amin’ireo mpaninjara no mety hisian’ny tranga fanararaotana ka ilàna fanamarinana ihany koa.
Miainga 1540 ariary ny kilao
Raha ny fanadihadiana natao tamina mpambongady iray nataon’ny Ministera teny an-toerana dia miainga hatrany amin’ny 1540Ar, 1580Ar, 1660Ar ny kilaon’ny vary izay mbola araka ny tokony ho izy tsara. Tsy mbola atahorana ihany koa fa mbola betsaka ireo vokatra tonga ary tamin’ity fidinana tampoka ity aza dia nisy fiarabe 9 nitondra vary hentina hamatsiana ny tsena. Tsy tokony hisy fiakarana mihitsy aloha hatreto ny vidim-bary ary nanambara mihitsy ireo mpambongady nohadihadiana fa tsy mbola mieritreritra ny hampiaka-bidy akory. 77000 Ar ny gony ambany indrindra, misy ny 81 000 Ar, 82 000Ar, 88 000Ar sy ny sisa arakaraky ny karazam-bary. Raha atao ny kajikajy dia tokony hivarotra manomboka ny 1700 Ar no miakatra ny mpaninjara ary efa mahazo tombony izy ireo amin’izany. Nandritra ity fitsidihina ity dia nanafatrafatra hatrany ny Minisitra tamin’ireo mpivarotra sendra azy fa tsy ekena ary lavina tanteraka ny fiakarana’ny vidin’ny vary. Efa nisy rahateo ihany koa hoy izy ny fidinana sy ny fijerevana akaiky ireo vary nafarana tonga any Toamasina izay tokony mbola tsy harahim-pisondrotam-bidy mihitsy hatreto. Nilaza ihany koa ny tenany fa mila manara-dalàna tsara ireo mpivarotra tahaka ny fanomezana faktiora mazava tsara ho an’ny mpanjifa ohatra.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.