Toekarena

Vidim-bary any Ambatondrazaka Tafakatra 550 Ariary ny kapoaka


  • Zoma 24 Martsa 2017

Any amin’ny tany mpamatsy vary ankehitriny no mila famatsiana. Tsy mahataitra ny mpitondra eto amin’ny firenena anefa izany fa anaty kabary fihantsiana ny hafa sy ny fampanantenana poakaty ary ny propagandy mialoha ny fotoana aloha izao no toa laharam-pahamehany.

Miakatra hatrany ny vidin'ny entana ao Ambatondrazaka, indrindra fa ny fotsimbary satria manodidina ny 550 ariary ny iray kapoaka amin'izao fotoana. Ankoatra ny olana izay tsy nahafaha-namboly araka ny tokony ho izy, dia fambolena tamina velaran-tany manodidina ny 300 ha no potika, ary izao efa miseho izao sahady ny voka-dratsiny. Tetsy an-kilany, nampanantena ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina sy ny minisitry ny fambolena Rivo Rakotovao nandritra ny fidinana nataon’izy ireo tany an-toerana taoriana kelin’ny rivodoza fa hanome masomboly, ho fitsinjovana ny tantsaha. Tsy hay aloha hatreto na mba tanteraka ihany na tsia, fa raha ny vaovao azo tamin’ireo tantsaha nohadihadiana, dia fampanantenana poakaty no natao azy ireo.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT