Toekarena

Vehivavy mpandraharaha Nofanina momba ny lalàna mifehy ny karama


  • Zoma 12 Jolay 2019

Nanatanteraka atrikasa lehibe teny Isoraka omaly ny fivondronan’ireo vehivavy mpandraharaha mpitantana orinasa na ny GFEM tarihin-dRazakaboana Fanja.

 

 

Nivoitra nandritra ny fanofanana  ny  momba ny tambin-karama farany ambany sy ny fampiharana izany ary ny hetra tokony haloan’ny mpitantana amin’ny fanjakana. Vehivavy mpikambana manodidina ny 25 isa no tonga nanatrika ny fiofanana izay mitantana na mandraharaha amin’ny orinasa maro toy ny mpanao  asa tanana, asa an-dranomasina, trano fandraisam-bahiny sy fisakafoana,  taotrano,  miasa momba ny hazo, ny teknolojia vaovao….  Tanjona tamin’ny fampiofanana ny hametrahana ny vehivavy mpandraharaha hahay hitantana tsara ny tetibolan’ny orinasa tantanany, mba tsy hahafaty antoka ny orinasa kanefa ihany koa tsy hanararaotra ny mpiasa, araka ny fanazavana nentin-dramatoa Mimosa Randrianantenaina, filoha lefitry ny fikambanam-behivavy mpandraharaha eto Analamanga. Omaly hariva moa dia nifarana ity atrikasa ity.

 

Nangonin’i Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT