Toekarena

Vehivavy mpandraharaha Malagasy Mangataka fanampiana amin’ny fanjakana


  • Alarobia 17 Jona 2020

Ny 50 %-n’ireo orinasa Malagasy eto amintsika dia tantanana vehivavy Malagasy avokoa, raha araka ny fanazavan-dRamanantsoa Harilala, izay diso fantatsika loatra amin’ny fikarakarana ilay hetsika tsenabe la grande braderie de Madagascar.

 

 

 

Vokatry ny COVID 19 anefa dia tra-pahasahiranana tanteraka ireo vehivavy mpandraharaha Malagasy ireo. Nisy ireo efa nanakatona ny orinasany mihitsy nefa namelona ankohonana maro raha misy ihany koa ireo mbola misokatra saingy tsy zarizary. Manao antso avo amin’ny fanjakana ny amin’ny tokony hijerevana azy ireo araka izany ireo vehivavy mpandraharaha mivondrona ao amin’ny GFEM na ny Groupement de femmes entrepreneurs de Madagascar, tarihin-dRazakaboana Fanja. Notsindrian’ity filohan’ny GFEM ity fa ankoatra ireo vehivavy mpandraharaha eto Antananarivo dia tokony hojeren’ny fanjakana ihany koa ny any amin’ny faritra. Marobe ny zava-bitan’ireo vehivavy mpikambana raha araka ny fanazavany izay azo havadika ho tosika ho enti-manatsara ny toe-karem-pirenena, indrindra aorian’ny fisokafan’ny fihibohana izay tsy maintsy hitodihana amin’ny fanatsarana ny toekarem-pirenena. Tsiahivina moa fa mandrafitra ny 20 %-n’ny asa fandraharaha eto Madagasikara dia vehivavy avokoa.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT