Ny vehivavy mpandraharaha Malagasy no fantatra fa anisan’ny mavitrika indrindra sady manana ezaka goavana raha oharina amin’ireo vehivavy mpandraharaha mitovy aminy any amin’ny firenen-kafa.
Olana anefa dia mbola vitsy tokoa izy ireny amin’ny ankapobeny, antony nanosika ny minisitry ny varotra Chabani Nourdine hanome tanana azy ireo manomboka izao. Nambaran’ity minisitra ity fa tena manana anjara biriky lehibe amin’ny fampandrosoana ny firenena ny vehivavy mpandraharaha ka tsy maintsy hampiana sy tolorana tanana izy ireny. Nivoitra io nandritra ny fandraisan’ny minisitra ny filohan’ny Femme Chef d’Entreprise teny amin’ny birao fiasany ny fiandohan’ny herinandro teo. Nisolotena ireo vehivavy mpandraharaha tamin’izany Rtoa Fanja Razakaboana lehiben’ny FCE aty amin’ny Faritra Afrika sady filohan’ny “Groupement des femmes entrepreneurs de Madagascar” izay nanambara fa hery lehibe ho azy ireo tokoa ny fisian’izao tolo-tanana izao. Nomarihiny manokana moa fa firenena miisa 120 maneran-tany no efa misy ny FCE ankehitriny raha mahatratra 500.000 kosa ireo orinasa mpikambana ao anatiny.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.