Toekarena

VEHIVAVY MIZAKA TENA ARA-TOEKARENA Lasan’ny “Ampela Miray Asa” ny amboara


  • Zoma 10 Martsa 2017

Lasan’ny fikambanam-behivavy “Ampela Miray Asa”, iray tamin’ireo 578 nandray anjara ny amboara tamin’ilay fifaninanana tetikasa “vehivavy mizaka tena ara-toekarena” nokarakarain’ny minisiteran’ny Mponina.

 Tetsy amin’ny Carlton Anosy omaly no nanambarana izany tamim-pomba ôfisialy  ka nanomezana loka ho an’ity fikambanana iray ity izay marihina fa tsy ho tombontsoan’ny mpikambana ihany fa mahakasika vehivavy maro ihany koa. Lelavola mitentina 20 tapitrisa Ar no azon’ity fikambanam-behivavy iray ity tamin’izany, fikambanam-behivavy izay tsiahivina fa  avy ao amin’ny faritra Androy. Ny tetikasa fambolena zanakazo no tena novolovolain’ireo mpikambana tamin’izany. Ny fikambanam-behivavy “Jeudi des femmes entrepreneur”, avy eto amin’ny Faritra Analamanga kosa, no nibata ny amboara faharoa ka notolorana  lelavola 10 tapitrisa Ar. Ilay tetikasa fanamboarana harona taratasy indray no nosafidian’ireto farany, hahafahana miady amin’ny fihanaky ny harona sachet eto amintska sy ho fiarovana ny tontolo iainana. Ny fikambanam-behivavy Siana, avy any amin’ny distrikan’Analalava Faritra  Sofia  no nibata ny laharana fahatelo ka notolorana lelavola 5 tapitrisa Ar raha lelavola 1 tapitrisa Ar avy  kosa no nomena  ireo fikambanana 15 nandray anjara tamin’ny dingana famaranana. Tsiahivina moa fa nahatratra 1.526 ireo nandray anjara tamin’ity fifaninana ity teny am-piandohana saingy ny  578 tamin’ireo  ihany no azo nekena ary ny 18 tamin’ireo indray  izay nahitana fikambanana telo isaky ny Faritany no voafidy niatrika ny dingana famaranana.

Pati


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT