VAVAHADIN-TSERASERA MOMBA NY VAROTRA

Misokatra ho an’ny rehetra ny PICM


  • Alakamisy 02 Mey 2024

Manome torolalana sy hampangarahara ny fanaovana raharaha ara-barotra ny PICM.

Hatramin’izay, toa sanatria misy kolikoly vao mahazo valiny mahafa-po amin’ny fangatahana alefa ao anivon’ny Minisitera. “Ankehitriny, miditra amin’ilay tranonkala ianao dia mameno ny atontan-taratasy. Tsy mila akory miresaka mivantana amin’ny tompon’andraikitra. Iza no handray vola aminao eo?”, hoy ny Minisitra Edgard Razafindravahy ny faran’ny volana Martsa teo tetsy amin’ny Carlton Anosy. Nanararaotra ny fampahafantarana ny Vavahadin-tserasera momba ny varotra eto Madagasikara (PICM) ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra, tamin’io afak’omaly Talata io, nanehoana ny fahavononany handeha lavitra amin’ny ady amin’ny kolikoly. Hanampy betsaka ny mpandraharaha, ny mpivarotra, tantsaha mpamokatra, kaoperativa, mpianatra sy mpikaroka ary sarambabem-bahoaka ny PICM. Ny fidirana amin’ny rohy www.pic.commerce.mg dia ampy ahazoana ireo atontan’isa sy torolalana samihafa momba ny varotra na koa mameno atontan-taratasy toy ny fangatahana alalana hanondrana vokatra mankany ivelany, anatin’ny mangarahara tanteraka. Anisan’ireo hita ao amin’ity Vavahadin-tserasera momba ny varotra ity, ohatra, ny torolalana amin’ny fananganana Orinasa kaoperativa izay efa afaka mandraharaha ara-barotra fa tsy mionona amin’ny famokarana fotsiny intsony toy ny kaoperativa teo aloha. Manome vaovao momba ny fanatanterahana ny Tetik’asa ODOF (One District One Factory) koa ny PICM ahafahan’ireo mpandraharaha liana amin’ny fitantanana ny Taninketsa Indostrialy mifaninana.
Pati
Legende : Ny Ministra Edgard Razafindravaha tetsy amin’ny Carlton Anosy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT