Toekarena

Vatovavy Fitovinany Ben’ny tanàna 150 nofanin’ny CNaPS


  • Alakamisy 08 Jona 2017

Nofanina tao amin’ny renivohi-paritr’i Vatovavy Fitovinany ireo ben’ny tanàna sy ny mpiara-miasa aminy avy amin’ny kaominina 150 mandrafitra ny prefektiora.

 

 Atrikasa izay tohin’ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny ministeran’ny atitany sy ny CNaPS mba hitadiavana vahaolana amin’ireo trosa miavosan’ny kaominina izay tsy nanefa latsakemboka amin’ny Tahirim-pirenena an-taonany maro izy io. ‘’Nisongadina ny fandraisana anjara mavitrik’ireo mpikatroka miisa 450’’, hoy ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny CNaPS, Avimana ary nambarany fa nody ventiny ny rano nantsakaina. Niantefan’ny fanofanana ireo kitro ifaharan’ny fiahiana ara-tsosialy. Tafiditra amin’izany ny lafiny ara-pitsarana, ny fiarahamonim-pirenena, ny solontenan’ny mpampiasa, ny sendikan’ny mpiasa, ny mpanao gazety ary ny mpitondra fivavahana, Tsy diso anjara ny ankizy sy ny tanora tamin’ny fiahiana ara-tsosialy, ka mpianatra taona voalohany miisa 134 avy amin’ny Lisea Teknika Manakara sy mpianatra miisa 100 avy ao amin’ny kilasy faha-6 tao amin’ny  CEG de Reference Manakara no nanampy isa ireo mpikambana amin’ny Club CNaPS Zandriolona (CCZ). 12% monja amin’ny mponina eto Madagasikara ihany no manana fiahiana ara-tsosialy, koa nanapa-kevitra ny toniam-pitantanana hanohy ny ezaka efa vita amin’ny fanatonana ny vahoaka eny ifotony, indrindra ny any amin’ny toerana lavitra sy ambanivohitra. Tsy diso anjara tamin’ny GUICHET FORAIN na ny CNaPS Mitety Vohitra ny tany Vohipeno, Marofarihy, Lokomby ary Savana. Mikasika ny sehatra tsy miankina izay indrindra dia nahatratra 155 ireo mpandray anjara nofanin’ny CNaPS.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT