Toekarena

Vatosoa Seha-pihariana tsy voafehin’ny Malagasy


  • Alarobia 06 Septambra 2017

Firenena voalohany mamatsy ny 45%-n’ny vokatra safira manerantany i Madagasikara, hoy ny atontanisa farany navoakan’ny iraka ekonomika frantsay.

Voatrandraka sy mivoaka an-tsokosoko  avokoa anefa ny ampahany goavana amin’io vatosoa miloko volomparasy, manga, mavokely sy mavo Malagasy lafo indrindra aorian’ny diamondra io, hoy ny mpitantana ny IGM (Institut de Gemmologie de Madagascar). Ana miliara maromaro ny vidin’ny 10gr amin’ny vato safira raha ny fantatra. Tsy manana tarehimarika mazava tsara momba ny fanondranana moa hatreto ny firenena Malagasy. Antony tsy ahitana taratra ihany koa ny tombontsoa sitrahan’ny mponina eto Madagasikara. Tsy liana amin’ny fitrandrahana sy fanodinana karazam-batosoa misy betsaka eto amintsika rahateo isika. Manodidina ny 100 isan-taona, ohatra, ny olona miofana eo anivon’ny EGM saingy mihoatra lavitra amin’ny tompon-tany ny isan’ireo vahiny mandalina ny tontolon’ny harena ankibon’ny tany. Tena vitsy noho izany ny Malagasy matihanina mahafehy ny seha-pihariana vatosoa, araka ny fanazavana avy amin’ity ivontoerana tokana eto Afrika momba ny vato nahazo fankatoavana eo amin’ny sehatra iraisampirenena ity.

Nangonin-dRamano F. 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT