Toekarena

Vatosoa eto Madagasikara Malagasy avokoa no mitrandraka azy


  • Talata 02 Oktobra 2018

Ny 40%-n’ny vatosoa ampiasaina manerana izao tontolo izao dia avy eto Madagasikara avokoa.

 

 

 

 Fantatr’izao tontolo izao fa manana karazany maro mihitsy ny firenena Malagasy. Raha eto amin’ny firenena dia Malagasy daholo no manao ny fitrandrahana ary mipetraka ho mpividy fotsiny ny vahiny araka ny tatitry ny tale jeneralin’ny toeram-panofanana momba ny vato sarobidy (IGM), Rasolonjatovo Andrianirina. Fantatra fa 98% amin’ireny vatosoa ireny dia aondrana avokoa ary vato tsy voahodina hatrany. Kely ny vola miditra noho ny vato tsy voahodina. Eo indrindra no tokony hijerena vahaolana. Sakana ny tsy fananana fitaovana manara-penitra na dia misy manana ny fahaiza-manao aza ireo mpitrandraka. Ankoatra izay, ho lafo hatrany koa ny fianarana sy ny fanofanana ny amin’ny fahaizana mikirakira sy manodina ny vato satria mahantra ny ankamaroan’ireo tena mpitrandraka eny ifotony ka tsy mahatakatra ny saram-pianarana. Sehatra mampidi-bola ary ahafahana mampandroso haingana ny toekarena anefa ny vato sy ny harena ankibon’ny tany rehetra misy eto Madagasikara ka tokony hojerena haingana ny olana rehetra mba tsy ho ny vahiny foana no hahazo ny vokatra tsara sy ny tombom-barotra.

Tsirinasolo   

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT