Toekarena

Vato sarobidy Nosokafana ny fahafahana manondrana


  • Alarobia 21 Septambra 2022

Nilatsaka ny fanambaran’ny Minisitry ny Harena an-kibon'ny tany sy ny Loharanonkarena Stratejika Rakotomalala Herindrainy Olivier niaraka tamin’ireo Ministera tomponandraikitra sy ireo mpandraharaha

amin’ny seha-pihariana vatosoa sy vato sarobidy, fa miverina amin'ny laoniny nanomboka omaly 20 septambra ny fahafahana manondrana izany eto Madagasikara taorian’ny fiatoana nandritra ny fotoana maharitra. Niato tao anatin’ny 3 taona teo, nanomboka ny 2019 io. Nambara fa nisy ireo fandaminana hahatomombana ny famerenana indray ny fahafahana manondrana vatosoa sy vato sarobidy nandritra ny fotoana nampiato izany, ary ankehitriny dia efa voatendry teo anivon’ny Filankevitry ny Minisitra ny tomponandraikitra manana ny fahefana hanasonia ny antontan-taratasy ilaina amin’izany fanondranana izany. Isan’ny zava-dehibe indrindra tao anatin’izany lamina izany ny fanavaozana ny fetram-bidy farany ambany ho an’ny fanondranana harena an-kibon’ny tany na ny “valeurs marchandes de reference” mba hifanaraka amin’ny vanim-potoana sy ny zava-misy marina ankehitriny, raha ny taona 2001 no nisian’ izany farany ka ny sanda tamin’izany fotoana no mbola nampiasaina hatramin’izao, hoy ny fanazavana. Tontosa taorian’ny fikaonan-doha sy asa niombonan’ny avy amin’ny Fanjakana sy ireo mpandraharaha voakasik’izany ny famaritana izao fetram-bidy farany ambany vaovao izao. Ankoatra ny famaritana io fetram-bidy farany ambany io, noraisina ihany koa ny fepetra fanatsarana sy fisorohana ny hosoka, dia ny fampiasana ny "Certificat de conformité " vaovao tsy azo alain-tahaka ary misy QR Code. Tanjona kendrena amin’ny fanatsaràna, toy ny famaritana fetram-bidy vaovao ho an'ny fanondranana harena an-kibon'ny tany izao, ny hitondran’ny asa fihariana harena an-kibon’ny tany voka-tsoa ho an'ny firenena nefa koa tsy hamono antoka ireo mpandraharaha mpiantsehatra. Manana vatosoa sarobidy lafo vidy i Madagasikara. Misy ny efa mahatratra hatrany amin’ny 2000 dolara ny grama ho an’ireo vato ambony karazana. Takiana amin’ireo mpandraharaha mpanondrana ny famerenana ny vola vahiny, hampakarana ny sandan’ny vola Malagasy, araka ny fanamarihana. Irariana mba hitondra akony amin’ny toekarena tokoa fa tsy ny afera goavana no betsaka raha ny hita sy ny zava-nisy tao anatin’izao fitondrana izao.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT