Toekarena

Varotra sy fanjifana Tafakatra 50% ireo trangana fisolokiana amin’ny « vente en ligne »


  • Talata 07 Desambra 2021

Miroborobo ny vente en ligne na asa fivarotana amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera facebook hatramin’ny fotoana nisian’ny fihibohana teto amintsika.

 Mbola mitohy hatramin’izao izany ary miitatra amina sehatra maro samihafa. Noho ny tsy fananan’ny olona fotoana hivezivezena hiantsenana no antony mahatonga izany izay sady manala fahasahiranana azy ireny no hahazoany zavatra tsara ihany koa. Betsaka anefa ny olana aterak’izany ankehitriny. Raha araka ny fanazavan’ny teo anivon’ny polisim-pirenena mantsy dia tafakatra 50% n’ny tolotra misy ireo trangana fisolokiana voarain’izy ireo momba ny vente en ligne tato ho ato. Mahatratra 5 na 6 ao anatin’ny herinandro raha kely ny fitarainana voarain’izy ireo. Mody sarina tovolahy tsara tarehy no mampiresaka olona mba hividy entana ao aminy amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera facebook. Matetika no mody maka avansa ireo mpivarotra ka rehefa tena haka ilay entana ilay olona dia manjavona ireo mpivarotra na koa mitondra ilay entana ihany fa tena mifanohitra tanteraka amin’ilay sary nasehony. Nanambara moa ny teo anivon’ny polisim-pirenena fa tsy hipetra-potsiny manoloana izany izy ireo fa hiezaka handray ny andraikiny.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT