Toekarena

Varotra sy fanjifana Niaiky ny minisitra : “malemy ny fanjakana”


  • Zoma 15 Novambra 2019

Natomboka omaly ary hifarana anio etsy amin’ny tranoben’ny varotra etsy Antaninarenina ny atrikasa fampiofanana momba ny fampanarahana fenitra ny varotra sy fanjifana eto Madagasikara.

 

Hampiofana ireo tompon’andraikitry ny ANMCC na ny rafitra misahana izany ao amin’ny minisiteran’ny varotra sy fanjifana ary ireo tekinisianina Malagasy ny manampahaizana iraisampirenena, Christian Vitale Leon, avy amin’ny ACWC. Antony, hoy ny minisitra Lantosoa Rakotomalala, ny filàna maika ny fampiharana izay fampanarahana ny fenitry ny varotra sy fanjifana izay ary ny sehatra tsy miankina no tena mila mahafantantra ny lafin-tsara sy ratsy ary tombony amin’izy io. Anisan’ny voaresaka omaly moa ny mikasika ilay orinasa SPM. Matetika malemy ny fanjakana, hoy hatrany ny minisitra, eo amin’ny resaka fandraisan’andraikitra. Ny sehatry ny fanafarana solitany na “petrol”, hoy izy, izao dia nahitana fa miankin-doha tanteraka amin’ny sehatra tsy miankina isika amin’ny resaka fanafarana entana. Raha mandray andraikitra ankehitriny ny fanjakana mikasika izay dia ho fitsinjovana ny mpanjifa noho ny fahitana fa miakatra sy midina ny vidina entana eto. Tsy manana fahafahana mandrindra ny fiainam-bahoaka ny fanjakana ao anatin’ny vidina entana eny an-tsena. Antony voalohany nametrahana ny orinasa SPM na “State procurement of Madagascar” na ilay varotra manakaiky vahoaka ataon’ny fitondrana izany, hoy izy.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT