Haverina indray ny foara Vidy Varotra nampalaza ity vondrona iray ity hatramin’izay manomboka izao ka in-telo isan-taona no tokony hanatanterahana azy.
Hozarain’ny tompon’ny orinasa amin’ny mpiasa rehetra ny tombony azo avy amin’izany ho fitsinjovana ireto farany izay marihina fa nahazo fisondrotan-karama ihany koa, fanomezana hisantarana ny taona vaovao. Nandritra ny fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao 2019 notanterahina teny amin’ny Espace Salohy ny faran’ny herinandro teo no nahafantarana izany, notarihin’ny filoha tale jeneralin’ny orinasa Tahina Razafinjoelina. Ankoatra ireo dia vonona ny hanohana ireo mpiasa manan-janaka afa-panadinana Bakalôrea ihany koa ny tompon’ny orinasa horaisina hianatra ao amin’ny IT University eny Andoharanofotsy izay ao anatin’ny vondrona ihany ary azo hifanarahana tsara ny saram-pianarana aloa na dia tena avo lenta aza ny fampianarana omeny. Hanohana ireo mpiasa manana hetsika hatao manokana ihany koa ny tompon’ny orinasa amin’ny alalan’ny fanaparitahana izany an-gazety sy radio izay maimaimpoana avokoa. Tao anatin’ny hafaliana tanteraka no nandraisan’ny mpiasan’ny vondrona Vidy Varotra ny fanomezana sy tohana goavana avy amin’ny tompon’ny orinasa ahitana ny gazety Vidy Varotra, job, Tia Tanindrazana, jejoo, Top Radio, ketrika, IT university…. Nofaranana tamin’ny fiaraha-misakafo sy ny fanolorana prime ho an’ireo mpiasa mendrika indrindra moa ny lanonana. Tsy adino ihany koa ny nanolotra fanomezana ho an’ny tompon’ny orinasa sy ny fianakaviany noho ny nahatrarana ny taona vaovao.
Pati
( Sary Rakotobe Michel)
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.