Toekarena

Varotra - ranomasimbe indianina Hivory ireo firenena miisa 6 ao amin’ny CCI


  • Talata 12 Mey 2020

Ho karakarain’ny avy eo anivon’ny Cap Business Ocean Indien rahampitso ny fivorian’ireo komitim-panatanteraka eo anivon’ny PRCC-OI na ny fandaharan’asa fanohanana ny fivoaran’ny fandraharahana ara-barotra aty amin’ny ranomasimbe indianina.

 

 

Hivory amin’ny alalan’ny visio-conference, araka izany, ny solontenan’ireo firenena miisa 6 mikambana eo anivon’ny tranoben’ny varotra sy ny indostria aty amin’ny ranomasimbe indianina na CCI. Ao elanatin’izany ny vondro-nosy Kaomoro, Madagasikara, Mayotte, Maorisy, Seychelles, La Réunion. Ho dinihina mandritr’izany ny fahafaha-manampy ireo mpandraharaha mpikambana ao anatin’ity tranobe ity aty amin’ny ranomasimbe indianina ho an’ny volana miisa 12 hoavy, raha ny fanazavana. Ny AFD na ny sampan-draharaha frantsay misahana ny fampandrosoana moa no mamatsy ity tetikasa ity.

 J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT