Toekarena

Varotra Lavanila any Nosy be Nivoaka ireo fepetra


  • Alakamisy 28 Mey 2020

Araka ny naoty navaokan` ny ministeran` ny varotra dia omaly no daty hanokafana tsena Lavanila any Anjiabe Kaominina Nosy-Be.

 

 

 

 

Tonga tany an-toerana ireo manampahefana sy sampandraharaha voakasika izany sehatra ny varotra, ary ny mpitandro filaminana. Nanokatra izany tamin'ny fomba ofisialy i Mananjara Lucien, prefe any Nosy-Be. Nanantitrantitra izy fa tsy azo atao ny mivarotra lavanila ivelan` ny tsena. Ity farany moa dia manomboka amin'ny 7 ora maraina no misokatra ka hatramin` ny 5 ora hariva. Nanambara hatrany ny ben` ny tanàna ao amin`ny kaominina Nosy-Be, Vita Gilbert, fa tokony ho mailo hatrany na mpividy na mpandafo eo amin'ny resaka fandriham-pahalemana fa indrindra ny lamina izay efa napetraka eo koa ny resaka ristourne 3% isaka kilao ary ny fanomezana fazahoan-dalana manokana mba ahafahana mitondra vokatra hiala ao Nosy-Be. Marihana fa tsy maintsy manana karatra ny mpividy ary sarotiny amin'izay minia mandika lamina sy lalana mikasika ity la vanille ity hoy TANIGNA Romuald Florentin, talem-paritry ny varotra DIANA ary tsy misy mahazo miampiasa fandanjana hafa afa-tsy ilay voatokana ihany. Rehefa vita ny lanonana fanokafana dia nametraka vidiny ny mpamboly fa 30 000 ariary ary ny mpividy kosa nametraka vidiny fa 40 000 ariary.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT