VAROTRA IVELANY

Mamaly ny fenitra Eoropeana ny kalitaon’ny lavanila malagasy


  • Alakamisy 08 Febroary 2024

Afaka miditra malalaka eo amin'ny tsenan’ny Vondrona Eoropeana ny lavanila malagasy.

Nisy ny fanovana ny lalàna eoropeana momba ny tahan'ny « nicotine » takiana amin'ny vokatra lavanila . Namoaka fanapahana ny Vondrona Eoropeana ny 05 Febroary lasa teo fa averina ho 0,3mg isaky kilao ny tahan'ny "nicotine" amin’ny lavanila azo raisina any Eoropa. Fanapahan-kevitra izay hampitombo ny vokatra lavanila avy aty Madagasikara afaka hiditra amin'ny tsena any Eoropa. Nahomby tanteraka, araka izany, ny dinika sy adisisika nataon'ny Fanjakana malagasy notarihin'ny Minisitra Edgard Razafindravahy sy ny ekipany. Tsiahivina fa tamin’ny volana Septambra 2022 dia nisy fanovana io lalàna mifehy ny tahan'ny "nicotine" io ka nametra izany ho 0,02 mg isaky ny kilao. Nisy fiatraikany tamin'ny lavanila malagasy io fepetra io satria mihoatra io taha io ny ankamaroan'ny vokatra avy eto Madagasikara. Nampitaintaina ireo mpamboly sy ireo mpandraharaha mpanondrana izany satria dia hihena ny vokatra ahondrana sy ny vola vahiny hiditra. Natahorana hisy fiatraikany tamin'ny toe-karen'ny firenena ihany koa satria ny sehatry ny lavanila no anisan'ny mampidi-bola vahiny betsaka ao anatin'ny kitapom-bolam-panjakana.
Pati
Legende : Efa metibe amin’ny tsena Eoropeana ny vokatra lavanila eto amintsika !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT