Toekarena

Varotra elektronika Maro no voafitaka


  • Sabotsy 24 Febroary 2018

Taorian’ny fampiofanana nomena ireo mpisehatra rehetra miisa 60 afaka handavorary ny tontolon’ny lalàna sy ny fampandehanana ny varotra elektronika na ireny varotra ifanakalozana amin’ny aterineto itony ny 19 ka hatramin’ny 22 febroary teo dia nampahafantarina omaly tetsy amin’ny tranoben’ny varotra etsy Antaninarenina omaly ny fehezan-dalàna tsara ho fantatra momba izany.

 

 Nampahafantarina ihany koa ny toeran’i Madagasikara mikasika izay eo amin’ny sehatra iraisampirenena sy ireo lesoka mila arenina ary tanjona tokony ho tratrarina. Mbola mila hamafisina, hoy ny fanazavana, ny fiarovana ireo mpanjifa amin’izy ireny eto amintsika satria maro ireo mora fitahana. Efa mipetraka ny lalàna fa anjarantsika no mamoaka ny didy fahafaha-mampihatra azy. Olana ny tsy mbola fahafahan’ny malagasy mampiasa aterineto ary tsy afaka mamoaka tarehimarika mazava mikasika izany hatreto. Ny varotra amin’ny facebook koa mbola mampametra-panontaniana hoe mandoa hetra ara-dalàna sa tsia, hoy hatrany ny fanazavana.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT