Toekarena

VAOVAO MAHAFINARITRA Miha mahazo aina ny Ariary


  • Talata 03 Novambra 2020

Mitontongana ny toekarena satria tsy miditra ny vola vahiny, mihena ny fanondranana entana any ivelany, tsy tonga ny mpizahatany mitondra vola vahiny izay nahitana fatiantoka 80% eo amin`ity sehatra ity, sns…

 

 Vokatry ny krizy ateraky ny COVID 19 avokoa ny antony mahatonga ireo. Nanomboka ny volana mey dia tsy nitsahatra ny nihen-danja ny sandam-bola ariary mihoatra amin`ny vola vahiny. Nitohy izany hatramin`ny volana oktobra lasa teo. Ny talata 27 oktobra teo no nahitana fiakarana be indrindra satria nahatratra 4698,86 ariary ny 1 euro, araka ny tatitry ny Banky Foiben`I Madagasikara. Nahitana fiakarana kely kosa ny sandan’ny vola Malagasy ny 30 sy 31 oktobra ary 01 novambra teo raha 4545.29 Ariary ny 1 euro, ary 3897.25 ariary kosa ny 1 dolara amerikanina. Omaly dia nitohy hatrany izany fisondrotam-bidin’ny ariary izany satria 4541,71 ariary ny 1 euro. Raha atao tsotsotra ny fanazavana dia noho isika samy  manjifa ny vokatra eto an-toerana no mahatonga izao ariary miha mahazo aina izao.

Marigny A. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT