Toekarena

Vao miandoha ny taona dia olana Raikitra sahady ny grevy ao amin’ny MEN


  • Alakamisy 05 Janoary 2023

Vao miandoha ny taona dia efa olana ny etsy amin’ny Minisiteran’ny Fanabezam-pirenena (MEN) etsy Ampefiloha.

 Raikitra ny grevin’ny mpiasa noho ny tsy fankasitrahana ny fanapahan-kevitra sokajian’izy ireo ho tsy ara-drariny, ka miditra amin’ny fampikatsoana taorian’ny fe-potoana 72ora nomena ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Tsy manaiky ny fanesorana tsy misy antony mazava ny “Chef de service de la gestion adminisitrative des personnels” ato amin’ny DRH mantsy ny sendikan’ny mpiasa DRH/MEN izay naneho fa mijoro ara-dalàna araka ny “récépissé” laharana 038 tamin’ny 22 jolay 2022. Ny Tale DRH aza mantsy, hoy izy ireo, dia miaiky fa mandeha tsara sy milamina ny asa nataony ary tsy misy fahadisoana arak’asa, hoy ireo sendika. Takian’izy ireo noho izany ny fanafoanana tsy misy fepetra ny didim-pitondrana N°33610/2022/MEN tamin’ny 14 desambra 2022 nanesorana io “Chef de service” io noho izany izy ireo, ary mitaky ihany koa ny fameranana azy eo amin’ny toerany tsy misy hatak’andro. Takian’io sendika io ihany koa ny handravana ilay antsoina hoe: “cellule d’Appui” izay sokajian’izy ireo ho rafitra tsy ao anaty “organigramme” akory, ka ny sampan-draharaha tsirairay no tokony hitantana ny fandrindrana ny asany mba ahazoana vokatra tsara. Nomarihin’ny sendika fa efa nisy ny dingana fifanantonana tamin’ny tompon’andraikitra mahefa, saingy tsy nisy valiny mahafa-po. Vokany, nilaza izy ireo fa efa tapitra ny fe-potoana 72 ora napetraka mba hamahana sy hamaliana ny fitakiana ka nambara ho ren-tany ho ren-danitra fa dia nanomboka ny talata 03 janoary 2023 teo ny fitokonana faobe na “grève générale” tsy iasana mandra-pivalin’ny fitakiana rehetra.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT