Omaly no natao tetsy amin`ny village VOARA Andohatapenaka ny fampahafantarana ny ITM (International Tourism Fair Madagascar) andiany fahafito izay hotanterahina ny 31 mey ka hatramin`ny 3 jona 2018.
Anisan`ny firenena fantatry ny mpizahatany i Madagasikara kanefa vitsy no resy lahatra mankaty amintsika, hoy ny minisitry ny fizahantany, Atoa Roland Ratsiraka ary izany no anisan`ny antony hanaovana ny fampirantiana izay iarahana amin`ny Ofisy Nasionalin`ny Fizahantany eto Madagasikara (O.N.T.M). Vitsy ny Malagasy mahafantatra ny vokatra tsara ateraky ny fizahantany eto Madagasikara, hoy izy ka io no fotoana mety hampahalalana amin`ny vahoaka ny momba izany. Eo amin`ny lafiny tsy fisian`ny asa dia hisy ihany koa ny fandraisana tanora manampahaizana amin`io sehatra aorian`ny fampiratiana izay atao. 60 000 ny mpizahatany andrasana amin`ity taona 2018 ity ary 15 000 ireo mpitsidika antenaina ho avy amin’io fampiratiana io raha 10.000 no tonga tamin’ny taona 2017. Nomarihan’ny minisitra ihany koa ny fihenan’ny mpizahatany tamin’iny taona 2017 noho ny fisian’ny valanaretina pesta teto Madagasikara. Ilaina ny fahatongavan’ny vahiny hitsidika eto saingy tokony hojerena akaiky ihany koa ny momba ny Malagasy izay mbola maro no tsy mahafantatra ny fireneny. Misy aza moa tsy mbola nahita ny renivohitra akory any amin’ireny faritany na ireny toerana any ambanivohitra lavitra ireny.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.