Toekarena

Vaka hatramin’ny mpandraharaha Ahoana no hamahana ny olana ao anaty 18 volana ?


  • Talata 12 Jolay 2022

Vaka hatramin’ny mpandraharaha. Ahoana no amahana ny olana ao anaty 18 volana? Nanao taratasy misokatra tao amin’ny kaonty Facebookny mihitsy omaly ny filohan’ny fivondronan’ny mpandrahara eto Madagasikara,

Rivo Rakotondrasanjy, hiantefa any amin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina. Fantatro, hoy izy, fa ho tonga any aminao ny hafatro eto ary saika mikirakira ity tambazotra ity avokoa ny mpiara-miasa rehetra. Io ary ilay fiakaran’ny vidin-tsolika. Hiharan’ny vokatr’io avokoa ny rehetra. Ho avy miandalana eo ny fiantraikan’io amin’ny fanjifana ny vidin’entana ilaina an-davan’andro sy ny fihariana rehetra. 18 volana sisa hanananao. Izany hoe tetibola na LFI miisa 2 ho an’ny taona 2023 sy 2024 ary tetibola asiam-panintsika na LFR 2023. Fivorian’ny parlemanta miisa 3 sy filankevitry ny minisitra miisa 72 raha ny tokony ho izy. Inona no paikady hanananao hahatongavana amina vahaolana azo tsapain-tanana? Ahoana ny mikasika ireto ampahana lisitra ireto dia ny JIRAMA, menaka mavesatr’I Tsimiroro, Etanaolina, State Procurement of Madagascar, filankevitra ekonomika sy sosialy ary kolontsaina, lavanilina, ny didim-panjakana izay mbola mampanahy ireo fampiharana azy toy ny zon’ny mpanjifa, ny LDIM, fambolena biolojika, famatsiana herinaratra ny tontolo ambanivohitra amin’ny alalan’ny angovo azo havaozina, ireo vary mangatsiaka amin’ny karama sy tambin-karaman’ny mpiasam-panjakana, indrindra ireo misehatra amin’ny asa vaventy na BTP, Base Toliara, “digitalisation”, Bemolanga, Sakoa sy ny hafa rehetra? Raha maniry hiara-hikaro-bahaolana mikasika ireo ianao dia ankasitrahana fa vonona izahay hanome tanana sy hifanatona hifampiresaka, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT