Toekarena

Vahinala Raharinirina « Tsy hisy fandrosoana raha tsy manome hasina ny any amin'ny fototra »


  • Zoma 14 Febroary 2020

Namory ireo talem-paritry ny Tontolo iainana sy Fandrosoana Lovain-jafy Rtoa minisitra Baomiavotse Vahinala Raharinirina, omaly maraina,

 

 tao amin’ny biraony etsy Antsahavola. Fihaonana voalohany namelabelarany ny hitondrany ny ministera araka ny vinan'ny filoha, no koa nihainoany ireo hetahetan'ny rantsamangaikan'ny ministera. Aminy dia « tsy hisy fandrosoana raha tsy manome hasina ny any amin'ny fototra ». Raha nanontaniana momba ny resaka sokatra tratra tany Ampanihy ny minisitra dia nilaza mazava izy fa « nanameloka ny fanondranana ireo sokatra izay anatin’ny karazam-biby ho lany tamingana ao anaty lalàna CITES » no nidera ireo tompon'andraikitra any amin'ny faritra tamin’ny fisamborana ireo mpanao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena, "satria manatratra hatrany ny tanjona napetraky ny filoha anaty velirano faha-10 ny fitantanana maharitra ny harena voajanaharintsika", hoy ihany Rtoa minisitra. Nanamarika ny minisitra Baomiavotse Vahinala Raharinirina fa efa mandeha amin’izao fotoana izao ny fanomezam-bahaolana ho an'ireo olona eny ifotony noana ka mihinana ireny sokatra ireny. Misy ny tetikasa iarahana amin’ny ministera hafa sy ny mpiara-miombon’antoka ary ny sampandraharaha misahana ny tontolo iainana sy fandrosoana Lovain-jafy eny anivon’ny faritra rehetra, ahafahana manatanteraka izany. Betsaka tokoa ireo harena mampiavaka an’i Madagasikara ka mila miasa miaraka isika mba hitandrovana azy ireny.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT