Iray amin’ireo zanaka ampielezan’i Madagasikara mipetraka any Frantsa i Vahinala Raharinirina, niala teto Madagasikara nanomboka ny taona 2002. Nandalo teto Madagasikara kosa izy nandritra ny Fikaonandohan’ireo Zanaka ampielezan’i Madagasikara ny 26-28 oktobra teo,
ary nivahiny tao amin’ny onjam-peo Top Radio 102.8 FM niresadresaka ny momba ny Diaspora Malagasy sy ny anjara toerany amin’ny fiainam-pirenena omaly. Ny diaspora Malagasy dia manana endrika miiba raha ao Eoropa, hoy izy. Malaza fa zanaka am-pielezana milamina tsy mba ahenoana ady. Malaza ho mahay be ihany koa. Nisy mihitsy ny fanadihadiana nataon’ny AFD (Agence Française du Developpement) sy ny minisiteran’ny raharaham-bahiny Frantsay fa ny maripahaizan’ny Malagasy any Frantsa, ohatra, dia ambony lavitra noho olom-pirenena Frantsay sy ny diaspora hafa. Miezaka izahay manentana sy mitarika ny diaspora hiaina amin’ny maha olom-pirenena Malagasy sy ao amin’ilay tany mandray, hoy izy. Ny resaka valim-babena ho an’ny firenena indray dia kolontsaina manokana ho antsika, mbola iainan’ny Malagasy any ivelany mihitsy io. Misy ny fanadihadiana efa nivoaka fa 450 tapitrisa dolara isan-taona ny vola alefan’ny diaspora Malagasy ho an’ny firenena. Manome 30% amin’ny tetibolam-panjakana izany ary 60-n’ny fampiasam-bola vahiny mivantana, raha ny fanehoan-keviny. Ngeza be io vola io, ka raha vitanay zanaka am-pielezana ny mandefa io vola io amina zavatra sy tetikasa tena mamokatra, dia hahafahantsika mamatsy ny toekarena sy hahafahana miala tsikelikely amin’ny mpamatsy vola. Manana tanjaka lehibe amin’ny fahafahana mamatsy vola ny diaspora Malagasy. Nohamafisiny kosa ny tokony hiadiana mba hisian’ny fanjakana tsara tantana, ka fotoana izao. Ho azy manokana dia manao asa soa amin’ny alalan’ny “Reseau Kilonga”, ka ny kaominina Imerin’Imady no efa nisitraka izany. EPP 4 izao no hanaovany asa, toy ny fananganana tranomboky sy fampitaovana, mampiditra rano, manao trano ho an’ny mpampianatra,... Miitatra amina CSB II sy ny maro hafa mba hampiroboroboana ny soa iombonana. Fihetsika mendrika sy tokony hifaninanan’ny diaspora rehetra ny tahaka izany, ary inoana fa hitondra vokany lehibe amin’ny firenena raha tanteraka.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.