Toekarena

Tsy voafehy intsony ny toekarena sy sosialy Manakaiky ny 5000 Ar ny sandan’ny 1 Euro


  • Alarobia 11 Janoary 2023

Tafiakatra 4852,14Ar ny sandan'ny 1Euro, ary 4522,33 ny 1Dolara raha ny sandam-bola hita ny marainan’ny omaly 10 janoary 2023.

Raha ny janoary 2019 taona voalohany nandraisan-dRajoelina ny fahefana anefa, niainga teo amin’ny 3900Ar ny sandan’ny Euro iray, ary tsy niala lavitra ny 4000Ar nandritra ny 2019. Ankehitriny anefa, efa mitady ny hanafosafo ny 5000Ar raha izao fandehany izao. Rehefa miakatra ny sandan’ny Euro manoloana ny Ariary dia midika izany fa miha mitotongana hatrany ny vola Malagasy. Antony ny tsy fisian’ny fifandanjan’ny vola vahiny miditra sy mivoaka izay matetika miankina amin’ny fanondranana sy fampidirana entana na “balance commerciale”. Manatombo be ny fanafarantsika entana any ivelany kanefa ny vola miditra amin’ny fanondranana tsy misy. Mamoaka vola vahiny betsaka izany isika. Vao mainka miha sahirana satria mbola vidiana avy any ivelany ny ankamaroan’ny filàna: solika, fanafody, entana ilaina andavanandro,… eny fa hatramin’ny vary izay tokony ho azo vokarina eto aza. Rehefa lafo ny hividianana ny vola vahiny hanafarana entana, miakatra ho azy ny masonkarena, miakatra ny vidin’entana, mbola ampian’ny làlan-dratsy tsy voakojakoja dia mitombo ny fandaniana izay tsy maintsy any amin’ny vidin’entana no hanentsenana azy. Tsy tena misy politika mazava hiatrehana ny zava-misy, fa zary fialana bala sy fitanisana ny olana any ivelany lazaina fa miantraika aty amintsika hatrany, toy ny coronavirus sy ny ady any Ukraine. Tsy misy zavatra tena mandeha intsony eto, fa tena anatin’ny fikatsoana tanteraka ny firenena, ka isan’ny fositra voalohany ny tsy fahaiza-mitantana. Samy nandalo krizy sy fahasahiranana fa mbola tsy nisy sandam-bola nitotongana tahaka io. Efa nisy foana ny kere fa tsy mbola nisy olona nivaro-janaka izany tao anatin’ny 60 taona satria aleony velona eny an-tanan’olona toy izay maty eo an-tànany raha tsy tamin’ity Fanjakana ity. Efa nisy foana ny fiakaran’ny vidin-tsolika iraisam-pirenena, fa tsy mbola nisy fiakarany 1800Ar isaky ny litatra izany hatramin’ny naha Madagasikara antsika. Tsy mbola nisy làlam-pirenena potika sy rotidrotika noho ny tsy fisian’ny fikojakojana tahaka izao izany ihany koa hatramin’ny nahapotsiran’ny voamaso angamba. Ny vidim-piainana moa io iaraha-mahita io! Tsy vitan’ny fizatana vary 5 na 10 na 25kg amin’ny olom-bitsy arahina serasera manaka-danitra dia hanantena figalabonana 5 taona manaraka hitarika fahapotehana firenena fa efa manomboka tonga saina ny olona hoe: tsy izy intsony ity, tsy misy zavatra voafehy, ny afera sy kolikoly no mahazo laka, ny vahoaka miha fadiranovana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT