Toekarena

Tsy mpangalatra jiro ny AAA Nivoaka ny porofo tsy azo lavina


  • Alarobia 31 Janoary 2018

Efa tamin’ny 3 novambra 2017 ny Jirama no nitory an’i Marc Ravalomanana, izay nambara fa nangalatra herinaratry ny JIRAMA. Nambara ihany koa fa ny tranon’ny filoha teo aloha mifanakaiky amin’ny orinasa no tena misy ilay fangalarana jiro.

 Nitsirika ny orinasa AAA tao Andranomanelatra ny Jirama sy ny vadintany ary ny avy amin’ny polisim-pirenena ny  24 janoary. Voaporofo ny fanendrikendrehana sy ny fanalam-baraka. Nohidiana “sous scéllée” nanomboka ny 12 oktobra 2017 mantsy ny Tia Sarl sy ny Iko Sarl, ka tsy misy hirika akory mankany amin’ny “Compteur”. Mazava ny tatitra nataon’ny vadintany Rakotoarisoa Nasolo, notronin’ny mpisolovava ny AAA Norosoa Raharimalala, fa misy milina famokarana herinaratra manana tanjaka 500KVA mamatsy ny AAA, raha misy ny olana. Misy fotoana mamatsy ihany koa ilay trano io milina io, ka misy ny tariby ambanin’ny tany miainga avy amin’io milina io mihazo io trano iray nambara fa isehoan’ny halatra herinaratra io. Tsy misy ao anatin’ny tatitra mihitsy araka izany ny resaka halatra, ary ny taratasin’ny vadintany aza tsy nahitana io resaka io. Hatramin’ny omaly ny tale jeneralin’ny orinasa AAA Lanto Rabenatoandro dia nanamafy, fa tsy misy resaka halatra Jirama izany mihitsy ao. Efa ny vadintany vita fianianana ara-panjakana no nanao tatitra tsy fahitana resaka halatra herinaratra velively miainga amin’ny andrin-jiro na fomba hafa ao amin’ny AAA, ka tsy hay indray izay ho tohiny. Teknika marina ve sa politika no hanenjehana ny orinasa AAA ?

Toky R


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT