Toekarena

Tsy mety manasonia ny mpiasan’ny ministera Mihitsoka tanteraka ny fanondranana vato sarobidy


  • Alakamisy 04 Novambra 2021

Mihitsoka tanteraka ny fanondranana vato sarobidy amin’izao fotoana izao satria tsy mety manasonia ny mpiasan’ny Minisitera.

Nisy ny fanambarana iombonana mpandraharaha sy mpiasan’ny ministeran’ny harena ankibon’ny tany teny Ampandrianomby omaly. Farafahakeliny kaontenera telo ho ana mpandraharaha iray izay mitentina 25 000 ka hatramin’ny 75 000 dolara no mihitsoka ao Toamasina, hoy ny fanambarana, tsy misy mety manao sonia fanomezan-dalana hanondranana entana ireo mpiasan’ny ministera taorian’ilay raharaha vato tratra teny amina teratany Srilankais teny Ivato ny 18 oktobra 2021, nisy fanasaziana mpiasan’ny ministera 2, Hoy i Yvon Ralambonanana mpitondra tenin’ireo mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany omaly teny Ampandrianomby. Ny zava-misy ankehitriny, misy mpandraharaha sy mpiasan’ny minisitera iharan’ny sazy, ka noho izany dia tsy sahy mandray dosie momba ny fanondranana entana intsony ny mpiasan’ny minisitera. Matahotra mafy hametraka ny soniany amin’ny taratasy. Izao anefa no fotoana tokony tena handehanan’ny fanondranana noho isika efa nihiboka ka betsaka izany ny « stock »; misy ihany koa ireo maika hamonjy foara any ivelany, hoy ny fanamarihana. Ny saran’ny fitobian’ny entana any Toamasina efa mila tsy ho zaka. Anton’ilay fanasaziana moa dia ny hoe tsy araka ny tokony ho vidiny ny fanambarana natao tamin’ireo vato tratra teny Ivato. Manana sata manokana sy rafitra mifehy azy ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany, manana lalàna mandritra ny asany sy ny teknisianina vita fihanihanana manao izany ka tsy tokony hijabahana departemanta hafa ary tsy mety ny fifanitsahan’andraikitra, hoy ny fanamarihana. Marihina kosa anefa, fa tsy ny vato sarobidy ihany no misy olana amin’ny resaka fanondranana harena an-kibon’ny tany. Talohan’ny raharaha fahatrarana vato safira manodidina ny 2 miliara Ar mahery, dia efa nisy ny fitarainan’ny mpiasan’ny orinasa Kraomita Malagasy any Brieville, fa vokatra hatrany amin’ny 4000 taonina no mihitsoka, ka misy ny mbola any amin’ny orinasa, ary misy ny efa any Toamasina. Toa misy zavatra tsy milamina maro eo amin’ny sehatry ara-panjakana momba ny harena an-kibon’ny tany. Na ny Minisitra aza moa mbola vonjimaika taorian’ny fametraham-pialan’Atoa Brice Randrianasolo ny 18 aogositra 2021.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT