Toekarena

Tsy fivelaran’ny olom-pirenena Mampihena 7% ny harinkarena faobe


  • Talata 01 Desambra 2020

Nanomboka omaly tetsy amin’ny Le Motel Anosy ny atrikasa momba ny

 

fampitoviana ny fomba fijery eo amin’ireo ministera sy sampandraharaha iraisam-pirenena momba ny fiahiana ny ankizy. Tafiditra ao anatin’izany ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka, ny ministeran’ny mponina, ny OMS, ny Unicef. Fampiofanana sy fifampizarana traikefa, araka izany, no natao mba hisian’izay fampitoviana tadin-dokanga izay, hoy ny fanazavana. Ny tsikaritra dia ny tsy fivelaran’ny olom-pirenena iray dieny izy mbola zaza no tsy mahatonga azy ho olom-pirenena vanona rahatrizay. Tsy ho tonga olom-pirenena afaka manonotra ara-dalàna ihany koa. Izay fotsiny dia mampihena 7% ny harinkarena faobe isan-taona, raha fahafaha-mamokatra no resahana. Voasakasakan’izay mihitsy koa no fivoaran’ny firenena satria ny olona no fototry ny fampandrosoam-pirenena tahaka ny hita any Japon. Potika tanteraka ny japoney nandritry ny ady lehibe faharoa saingy tsy niandry 25 taona dia efa afaka nifaninana tamin’i Etazonia vao avy nandresy azy noho ilay resaka foto-drafitr’olona. Mety efa tratra aoriana isika saingy aleo hisahiranana dieny mbola any an-kibo ny zaza ho tonga olom-pirenena vanona, hoy hatrany ny tompon’andraikitra, Alban Ratsivalaka Ramiandrisoa. Hifarana ny 2 desambra izao moa ity atrikasa fampiofanana ity.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT