Toekarena

Tsy fanjarian-tsakafo Ambony ny taha any ambanivohitra


  • Talata 03 Desambra 2019

Nanamafy ny Ofisim-pirenena misahana ny fanjarian-tsakafo ONN fa ady maro lafy no atao aminy iarahana amin’ireo sampana samihafa toy

 

 

ny fambolena sy fiompiana, ny mahakasika ny rano fisotro madio sy ny fahadiovana, ny fahasalamana ary ny serasera. Ho fanamarihana ny Androm-pirenena momba ny fanjarian-tsakafo amin’ity taona ity dia hapetraka ao amin’ny kaominina Tsinjoarivo Imanga, Faritra Bongolava ny tanànan’ny fanjarian-tsakafo araka ny nampahafantarina tao amin’ny ONN omaly. 60 km miala an’i Tsiroanomandidy no misy io tanàna io izay mbola ahitana taha ambony amin’ny resaka tsy fanjarian-tsakafo tahaka ny amin’ny faritra ambanivohitra maro. Tanjon’ny ONN ny hametraka fomba mahomby ahafahana manatsara ny fanjarian-tsakafo any ifotony. Efa naneho ny fahavononany rahateo ihany koa moa ireo mponina sy manam-pahefana ao amin’ny ity kaominina Tsinjoarivo Imanga ity.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT