Toekarena

TSY FANDRIAM-PAHALEMANA:* Sakana ho an’ny fampandrosoana!


  • Alarobia 02 Septambra 2020

Na dia efa manao ny ezaka rehetra ireo tomponandraikitra samihafa hoentina mampandroso ireo faritra eto Madagasikara dia mbola olana hatrany ny tsy fisian`ny fandriampahalemana. Isan` ireny ny fafian-dahalo sy ny fanafiahana tokantrano izay

 

 

 

 zary lasa mampiraviravy tanana ny mponina. Samy lasibatra avokoa na tanan-dehibe na ny tantsaha ambanivohitra. Ho an` ity farany moa dia anjakan` ny asan-dahalo izy ireo satria tsy ampy ny fiarovan azy ireo. Marihana fa 85%n` ny vahoaka Malagasy dia mpamboly sy mpiompy (tantsaha). Sehatra iray izay tokony hampiana sy hotohanana satria raha tsy mamokatra intsony ireo tantsaha dia tsy hisy hamatsy sakafo ny tanan-dehibe. Sa ve hanafatra foana isika? Tena laharampahamehana tokoa ny fandriampahalemana mba ahafahan'ny tsirairay manatanteraka ny asa aman-draharaha ataony. Rehefa milamina ny firenena iray dia mazoto miditra ihany koa ireo mpandraharaha vahiny, manatsara ny lafiny fizahan-tany ary mampihena ny fifindra-monina be loatra izay mahazo antsika amin` izao.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT