Toekarena

Tsy fahampian’ny tarehimarika momba ny fambolena Manakana ny fampandrosoana ara-toekarena


  • Alarobia 31 Oktobra 2018

Omaly talata 30 oktobra no natao tetsy amin’ny DLC Anosy ny latabatra boribory nandraisan’ny mpamokatra sy ny mpikirakira tarehimarika hanomanana ny fanisana ankapobeny momba ny fambolena.

 

 

Hatao mandritra ny 2 andro izao atrikasa izao ahafahana mametraka sy manamafy orina ny fifanatonana sy fifampiresahan’ireo mpisehatra rehetra mba hijerena ny laharam-pahamehana miainga amin’ny tarehimarika misy manodidina ny fambolena eto Madagasikara. Tsiahivina fa tamin’ny taona 2004/2005 no nisy fikirakirana tarehimarika momba ny fambolena farany teto Madagasikara ka izay no mahatonga ny fiaraha-miasa amin’ny tetikasan’ny firenena mikambana ho amin’ny sakafo sy ny fambolena (FAO) hanatanterahana izany. Anisan’ny votoatin-dresaka tamin’izany ny tsy fahampian’ny vaovao sy ny tarehimarika manaraka ny toetr’andro ny amin’ny sehatra fambolena sy ny tontolo ambanivohitra izay tena ilaina amin’ny fampiroboroboana sy ny fanaovana ny politika hampandrosoana io sehatra io. Ny tsy fisian’ny tarehimarika azo antoka sy marina amin’ny sehatra fambolena anefa dia miteraka olana lehibe ka mitarika hatramin’ny sakana amin’ny fampandrosoana ara-toekarena. Iaraha-mahalala ny fiankinan’ny fiarahamonina sy ny toekaren’i Madagasikara amin’ny fambolena ka tena ilaina ny fahafantarana mazava sy ny fifehezana ny tarehimarika rehetra manodidina izany. 

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT