Toekarena

Tsenan’Anosibe Niakatra 150 Ar isan-kilao ny vidim-bary


  • Alakamisy 12 Oktobra 2017

Velon-taraina amin’ny fiakaran’ny vidim-bary eny amin’ny tsenan’Anosibe avokoa ny ankamaroan’ny mpanjifa amin’izao. Tao anatin’ny tapa-bolana monja mantsy izay dia nahitana fiakarany 150 Ar isan-kilao ny vidim-bary eny amin’ireo mpambongady ka ny vary gasy mena sy ny makalioka no tena voakasika.

Raha ny fanadihadiana natao tamina mpambongady eny Anosibe dia nilaza izy ireo fa hatrany am-potony mihitsy no mampiakatra ny vidim-bary fa tsy miankina amin’izy ireo. Nambarany ihany koa fa miakatra hatrany ny vidim-bary rehefa fotoana tahaka izao satria  any am-panetsana avokoa ny tantsaha mpamokatra ka vitsy ny vokatra miakatra. Mahavariana ihany ny fiakaran’ny vidim-bary eny Anosibe. Tsy nisy intsony rahateo ny mpanara-maso taorian’ny nandalovan’ny Mminisitry ny varotra teny an-toerana. Ho an’ireo tratra nanangom-bary tao amin’ny toeram-pivarotany moa ary mampiakatra ny vidiny tsy miato  dia tsy  nisy ny fanakatonana na ny fepetra noraisina manokana momba azy ireny hany ka mahatsiaro ho mijaly ny madinika.  Tsiahivina fa efa tafakatra 2.040 Ar ny iray kilao amin’ny vary makalioka fotsy amin’izao eny an-tsena, 1940 Ar ny makalioka mavo, 1960 ny vary gasy fotsy, 1860 Ar ny vary gasy mavokely, 1950 ny vary gasy mena, 2000 Ar ny varin’i Manalalondo raha 1820 Ar ny vary tsipala. Ho an’ireo mpivarotra atsinjarany manokana dia efa tafakatra 450 Ar ny iray kapoaka amin’ny vary tsara eny an-tsena raha 380 Ar ny mora indrindra.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT