Toekarena

Tsenan’Ambodivona Misy elanelana tsy mazava ny vidim-bary


  • Zoma 20 Martsa 2020

Nitohy omaly ny fidinana tampoka nataon’ny Minisitry ny Indostria sy ny varotra ary ny asa tanana, Lantosoa Rakotomalala sy ireo mpiara-miasa aminy ho fanaraha-maso ny vidim-bary.

 

 

 Ny tsena teny Ambodivona indray no nanaovana fanadihadiana niarahany tamin’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarmariam-pirenena,ny Jly Ravalomanana Richard sy ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, Randrianarison Fanomezantsoa. Nandritra ity fidinana ifotony ity dia hita ho misy elanelana ny vidim-bary teny amin’ireo mpivarotra sendra nohadihadiana satria nisy nivarotra hatrany amin’ny 1600 Ar/kg ny mpaninjara sasany. Misy anefa nivarotra hatrany amin’ny 2000Ar amina karazam-bary mitovy. Asa aloha na tena izay no zava-nisy na novaina nohon’ny tahotra ny vidim-bary sasany ka natao ambany be fa misy tena hita latsaka be mihoatra ny hafa.  Tsapa tamin’ity fidinana ifotony nataon’ny Ministera ity ihany koa ny fahatahoran’ireo mpivarotra izay saika nanakatona tsena ny ankamaroany. Na dia nanazava aza ireo tompon’andraikitra ny amin’ny tsy tokony ho fanahian’ireo mpivarotra fa fanamarinana no hatao dia hita soritra teny amin’ny endriky ny ankamaroan’ny nadihadiana ny tahotra lalina. Anisan’ny nahatonga izany ny fisian’ireo mpitandro ny filaminana mitam-basy maro teny an-toerana, teo ihany koa ny firodorodoana maro loatra manatona tsena iray atao fanadihadiana. Tamin’ity hetsika ity moa dia tonga teny an-toerana ihany koa ireo fikambanana miaro ny zon’ny mpanjifa izay nisaotra ny ezaky ny ministera ary nilaza fa tokony hotohizana hatrany ny fanao tahaka izao hitsinjovana ireo mpividy. Nilaza kosa ireo minisitra tompon’andraikitra manoloana izany fa afaka manatona ny biraon’ny mpitandro ny filaminana akaiky azy ireo ny mpanjifa raha mahatsikaritra fanararaotana fampiakaram-bidy na miantso avy hatrany ny laharana 034 30 812 84. Mbola nanamafy ny Minisitry ny varotra fa tsy azo ekena mihitsy ny fampiakarana vidim-bary amin’izao fotoana izao. Mbola nifandinika tamin’ireo mpiaro ny zon’ny mpanjifa ihany koa moa ny tenany omaly ary hidina hijery ifotony indray ny zava-misy any Toamasina.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT