Toekarena

TSENAM-BARO-PANJAKANA MANJAKA NY RISORISO


  • Alarobia 21 Febroary 2018

Tsy misy ny mangarahara amin’ny tsenam-baro-panjakana fa kitranoantrano no misy eto Madagasikara. Fomba mody atao fotsiny ny fampafahantarana ny tsena ho an’ny daholobe (appeld’offre) fa efa fantatry ny minisitera ny hahazo. Mandeha be ny afera, araka izany,

 ary nahazatra ny fanabontsinana misy izay ifampizaran’ny maro avy eo. Ny minisitry ny asa vaventy aza moa dia nilaza fa ho hentitra sy hijery tsara amin’izay ny amin’ny fanaraha-maso atao amin’ireny fampahafantarana ireny. Inona no nataony hatramin’izay ? Tsy mahagaga raha petatoko sy tefy maika ny lalana atao etsy sy eroa satria efa kely sisa ny vola ampiadiana fa efa nandalo paosy maromaro. Misy aza moa mpandraharaha sasany tsy te hifaninana hahazo ny tsena intsony satria efa fantatra mialoha izay ho valiny. Vokany, kitoatoa daholo ny zavatra atao satria olona tsy manana traikefa sady tsy matihanina no ampanaovina ny asa. Tsy tafavoaka mihitsy ity firenena ity raha mbola ohatr’izao foana no ataon’ny tompon’andraikitra ary miteraka fahapotehan’ny toekarena hatrany izany.

Tsiry

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT