Ny 30 novambra ka hatramin’ny 03 desambra ho avy izao indray no hotontosaina etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina ilay tsenaben’ny Sakafo sy ny lakozia andiany fahavalo,
karakarain’ny Showbizz Company. Hampiavaka ny hetsika, hoy Rakotoarivao Tsiory, mpitantana ny Showbizz Company omaly ny fitomboan’ny isan’ireo mpandray anjara. Raha 70 ny isany tamin’ny andiany fahafito dia tafakatra 85 amin’ity andiany fahavalo ity izay hisandrahaka amina tranoheva manodidina ny 130. Ankoatra izay, ho hita mandritra io hetsika io ihany koa ny fisian’ilay tetikasa Profapan, vatsian’ny vondrona Eoropeanina vola. Antom-pisian’ny tetikasa ny hanome fiofanana ireo tantsaha mpamokatra hahafahana mamokatra vokatra tena natoraly tsy misy akora simika. Tafiditra ao anatin’izany ny voankazo, ny legioma… ho fitandroana ny fahasalamam-bahoaka. Tsiahivina moa fa tsy miova ny tanjon’ny tsenaben’ny sakafo sy ny lakozia dia ny fampiroboroboana ny orinasa Malagasy amin’ny alalan’ireo vokatra vokariny. Eo ihany koa ny fampihaonana mivantana ny mpamokatra sy ny mpanjifa ialana amin’ny mpanelanelana. Hisy mandritra izany ny fifaninanana “mini chef” entina hanohanana ireo ankizy madinika tia mahandro sakafo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.