Toekarena

Tsenabe Voatra Hanampiana ireo orinasa vao misondrotra


  • Zoma 21 Oktobra 2022

Ho tontosaina ny 26 hatramin’ny 29 oktobra 2022 izao ny tsenabe Voatra ho an’ity taona 2022 ity.

Araka ny fampahafantarana natao tetsy amin’ny CCIA Antaninarenina omaly dia eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina no hanatontosana izany. Ankoatran’ny varotra fampiratiana dia maro ireo zavatra hiseho eny an-toerana. Isany ny atrikasa mahakasika mivantana ireo orinasa madinika na PME, fampianarana ny lalana mifandraika amin’ny varotra ao anatin’izany, fitondran’ireo orinasa efa nahita fahombiazana traikefa ho an’ireo orinasa vao misondrotra. Nanomboka ny taona 2013 no nanomboka ity hetsika ity, hoy hatrany ny fanazavana, ary nanomboka ny fotoana nisian’ny Covid 19 dia hevitra tapaka ny hanisy tambazotram-pifandraisan-davitra hanatontosana ity hetsika ity mandavan-taona na “site virtuel”. Miisa 60 moa ireo mpandray anjara, hoy hatrany ny fanazavana, ary tanjona lehibe ny hanampiana ireo orinasa vao misondrotra.
J. Mirija/Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT