Toekarena

Tsenabe “La Grande Braderie de Madagascar” Homena vahana ny orinasa sy ny vokatra Malagasy


  • Alarobia 16 Mey 2018

Hotontosaina eny amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina ny 23-27 mey ho avy izao ny andiany manaraka amin’ny Tsenabe “La Grande Bradérie de Madagascar”, Karakarain’ny orinasa Madavision.

 Mahatratra 280 ny mpandray anjara amin’ity andiany ho avy ity, raha ny fanazavan’ny Tale jeneralin’ny Madavision, Harilala Ramanantsoa sy ireo mpiara-miombon’antoka teny  amin’ny Café de La Gare omaly. Ara-toekarena, dia sehatra hivelaran’ny orinasa madinika sy salantsalany hahafahany mampahafantatra ny entana vokarin’izy ireo na ny amidiny ny Grande Bradérie, hoy izy. Natao hanomezan-danja ny orinasa Malagasy ny zavatra vokariny rahateo, ka ny 30% amin’ny mpandray anjara dia orinasa avokoa, izany hoe tsy mivarotra amin’ny andavanandro fa na efa manana ny tambajotra fitsinjarany ny entany. Ohatra iray amin’ireny ny orinasa MPEC mamokatra ireny karazana ranon-tsavony sy ny maro hafa ireny eto Madagasikara. Ahafahany mampitombo ny fampiasam-bolany ihany koa mitaha amin’ny andavanandro satria betsaka kokoa ny mpanjifa mandritra ny tsenabe sy hahafahan’izy ireo manararaotra ny fihenam-bidy. Misedra olana tokoa ny orinasa na ny mpivarotra satria ho an’ireo manafatra entana, ohatra, dia tsy mbola mivaha araka ny tokony ho izy ny olana ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, toy ny fisian’ny entana mihitsoka noho ny fampikatsoana ny fadin-tseranana na olana hafa mihitsy. Na izany aza, dia efa  nivonona ny mpivarotra satria ao anatin’ny fotoana mampandeha ny tsena na “Haute saison” isika amin’izao fotoana izao, hoy hatrany i Harilala Ramanantsoa. Tsara fitontona ity tsenabe hisiana fihenam-bidy ity satria mifandraika amin’ny fanamarihana ny fetin’ny reny, ary mifantoka bebe kokoa amin’izany ny lohahevitra amin’ity indray mitoraka ity mba hanomezana fahafaham-po ny isan-tokantrano, indrindra fa ny renim-pianakaviana io, mba hanomezana fahafaham-po ny mpanjifa, hoy hatrany ny mpikarakara.


Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT