Toekarena

Tsenabe iraisam-pirenena ara-pamokarana Namboraka ny hetahetany ny tantsaha


  • Zoma 14 Septambra 2018

Omaly alakamisy 13 septambra no nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Zone Forello Tanjombato ny Tsenabe iraisam-pirenena mahakasika ny ara-pamokarana (FIA) andiany faharoa.

 

 

 

Hotanterahina mandritra ny 4 andro ity tsenabe mamaly ny filan’ny tantsaha mpamokatra ity. Tanjona ny hijerena hatrany ny tsena anatiny sy ny any ivelany, indrindra ahafahana mifanakalo hevitra amin’ireo mpisehatra amin’ny tontolo ambanivohitra mba ho fanatsarana ny serasera ao anatin’ny sehatra famokarana hampitomboana ny vokatra. Ezahina ny hahasompitry ny ranomasimbe Indiana an’i Madagasikara ka hampandrosoana haingana ny fambolena tantanim-pianakaviana (agriculture familiale). Eo ihany koa ny sehatra fampiroboroboana ny mpandraharaha matihanina amin’ny fambolena (agri-business), indrindra ny fandraharahana hanodina ny vokatra ho fihinana (agro-alimentaire). Maro ireo tantsaha naneho ny hetahetany tamin’ity FIA andiany faharoa ity tahaka ny tokony hanamorana ny fananan-tany satria maro be izy ireo kanefa hita ho mihafihafy hatrany amin’ny fambolena sy fiompiana ataony. Iaraha-mahita anefa fa mbola migodana ny velaran-tany ahafahana mamboly sy miompy eto Madagasikara. Ankoatra izay, olana ihany koa ny tsy fahampian’ny fampiofanana ny tantsaha amin’ireo sehatra ireo ka miteraka ny tsy fahaiza-manao. Ny sehatra sahala amin’itony no hanamafisana ny traikefa sy ny fifehezana ny famarotam-bokatra ho an’ireo tsantsaha mpamokatra. Mbola mampikaikaika ny tantsaha ihany koa ny tsy fandriampahalemana izay tena mbola manjaka, indrindra amin’ny tontolo ambanivohitra ka nangatahan’izy ireo vahaolana maika amin’ny fanjakana.

Tsirinasolo

 

   

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT