Toekarena

Tsenabe ho an’ny fetin’ny reny Nisokatra omaly ny la grande braderie de Madagascar


  • Zoma 02 Jona 2023

Hankalaza ny fetin’ny Reny isika afaka rahampitso alahady 04 jona. Ankoatra ny fitondrana am-bavaka azy ireny…dia tsy latsa-danja amin’izany ny fanolorana fanomezana na mofomamy ho an’i Neny

antony hisian’ireo hetsika maro samihafa etsy sy eroa. Ho an’ny Madavision manokana dia nosokafana tamim-pomba ofisialy omaly tetsy amin’ny kianjan’i Barea Mahamasina ilay hetsika La grande braderie de Madagascar karakarain’izy ireo. Haharitra efatra andro izany ahitana ireo karazana kojakoja ilaina ao an-dakozia, ny sakafo, ny fitafiana, ny finday, ireo kojakojana ilaina amin’ny fiara….Raha araka ny fanazavan-dRamanantsoa Harilala, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Madavision dia hentitra dia hentitra izy ireo amin’ny fitandroana ny fandriampahalemana. Toraka izany koa ny fanajana ilay fihenam-bidy 15% mba hahafahan’ny mpanjifa tsirairay avy misitraka izany. Efa diso milatsaka be loatra mantsy ny fahefa-mividin’ny Malagasy raha araka ny fanazavany ka tsy maintsy mifampitsinjo.
Pati
Legende : Be olona tahaka izao sahady ny andro voalohany omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT