Toekarena

Tsena vaovao etsy Ambodifilao Miandry fitokanana ara-dalŕna ireo mpivarotra


  • Alakamisy 20 Aprily 2017

Efa iray volana izay, raha ny fanazavan’ny delegen’ny tsena etsy Analakely no nitsanganan’ny tsena vaovao etsy Ambodifilao.

 Hatramin’izao anefa dia mbola tsy manana anarana izany tsena izany, tsy fantatra ihany koa hoe tolotra avy amin’iza ary tsy mbola notokanana na dia efa misy mivarotra aza. Olana amin’izy ity, hoy ilay delege dia hatahotra hivarotra ao ireo mpivarotra amoron-dalana teo aloha noho ny tsy fahatokisany ny mombamomba io tsena io. Ireo mpivarotra tetsy Behoririka, Tsaralalana sy Ambohijatovo ary Analakely moa no sarihina ho ao amin’izy ity kanefa dia tsy ho atonona ao raha ny tomban’ity delege ity. An’arivony moa, raha ny fanazavany, no isan’ireo mpivarotra ireo ka ahiana mafy ny hibosesika ao. Mahafa-po kosa anefa na izany na tsy izany aza ny atin’ny toerana ary irian’izy ireo ny mba hitokanan’ny ben’ny tanàna izany amin’ny fomba ofisialy.

Mirija   

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT